Fanatsarana ny fitsidihana ny Valanjavaboaharin’i Tsimbazaza

Isan’ny toerana tsidihan’ireo mpizahantany maro na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany ny valanjavaboaharin’i Tsimbazaza, ka ho fanatsarana izany fitsidihana izany dia misy ny fiaraha- miasa teo amin’ity farany sy ny Office Régional du Tourisme d’Antananarivo – ORTANA.

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Fizahantany omaly alarobia faha 27 septambra dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ireo soridia na balises karazany telo, entina hanamorana kokoa ny fitsidihana atao. Iray amin’ireo tetik’asa maro mbola hatao izy io ka tanjona ny hanatsarana hatrany ity valanjavaboahary ity ka hampitombo ireo mpizahantany hitsidika sy hijanona maharitra eto Analamanga.

Marolafy ny Fizahantany ary mitondra vokatsoa maro ho an’ny toekarena. Izany indrindra no tokony hijerena hatrany ny fomba entina hanatsarana ireny toerana ara-pizahantany maro misy eto amintsika ireny, hoy ramatoa Diana RASOANAIVO, talen’ny kabinetran’ny minisitry ny Fizahantany nandritry ny lahateny nataony. Ny minisitera izay mamporisika sy manohana hatrany ireo tetik’asa rehetra mitondra fanatsarana eo amin’ny tontolon’ny Fizahantany.