Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso

Io no lohahevitra nosafidin’i Madagasikara entina ankalazana ny andron’ny 8 martsa 2024, izay atao any Toamasina eo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filoham-pirenena.

Miarahaba ny vehivavy malagasy rehetra amin’izao andro iraisam-pirenena entina hankalazana ny mahazava-dehibe ny zon’ny vehivavy izao. Tsy mora ny fiatrehana ireo adidy aman’andraikitra, ka eto dia mankahery azy ireo isika, indrindra fa ireo vehivavy misehatra amin’ny fizahantany sy ny asa-tanana.

Ho entintsika manamarika izany, indro misy hafatra arahana fankaherezana vitsivitsy avy amin’ireo vehivavy ato amin’ny fianakaviamben’ny Fizahantany sy ny Asa-tanana.