EDUCTOUR FRONT OFFICE

Nandray anjara tao anatin’ny fivoriamben’ny FHORM – Fédération des Hôteliers et Restaurateur de Madagascar ny Ofisim-paritry ny Fizahantany eto Analamanga androany, nampahafantatra ny tolotra fiofanana « EDUCTOUR FRONT OFFICE » izay natokana indrindra ho an’ireo mpandray olona eny anivon’ny trano fandraisam-bahiny eto Antananarivo.

Nanazava ny vontoatin’ity tetikasa ity ny Tale Mpanatanteraka eto anivon’ny ORTANA ary nampahafantatra ny fandaharam-potoanan’ny fitsidihana.
Mitohy hatramin’ny volana jolay ity « eductour » ity ho fanamafisana ny traikefan’ireo « agents front office » sy ho fiomanan’izy ireo handray ny Lalaon’ny Nosy izay hotanterahana eto Antananarivo manomboka ny volana aogositra 2023.

 Misaotra ny FHORM tamin’ny fandraisana ary misaotra sahady koa an’ireo handray anjara rehetra !