Fanatsarana ny tontolon’ny fizahantany | Faritra Itasy

Isan’ireo toerana betsaka mpitsidika, indrindra rehefa faran’ny herinandro ny Faritra Itasy ka mananosarotra indraindray ny fahazohana trano fandrasaim-bahiny. Miha betsaka arak’izany ireo misehatra ao anatin’ny tsy ara-dalana ka anton’ny fihaonan’ny andriamatoa minisitry ny Fizahantany sy ireo mpandraharaha tao Ampefy androany faha 22 septambra.

Nisy araka izany ny famelabelarana momba ilay « plateforme d’autorecesement » izany novolavolain’ny minisiteran’ny Fizahantany ho fampivondronana ireo mpandraharaha rehetra ara-dalàna. Nohentanina moa ny rehetra hiditra ao anatin’izany mba ho fanamorahana ny fanaovana fitsirihana.

Nohararaotina ihany koa ity fotoana androany ity nanaovana jeritodika ireo zava-bitan’ny minisitera nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao.

Farany dia nisy ny fifanakalozana amin’ny mety ho avin’ny sehatry ny Fizahantany manolona ny raharaham-pirenana ankehitriny, ka nanamafisan’ireo mpandraharaha ny maha-zavadehibe ny hisian’ny filaminana sy fitoniana ho an’ireo mpisehatra. Ity farany izay manomboka miharina tsikelikely noho ny valan’aretina Covid-19.